Ry Kristianina Havana ato amin’ny Fiangonana FLM
Misaotra an’ Andriamanitra fa afaka mifanerasera isika samy zandrin I Jesoa Kristy amin’ny izao alahady 17 mars tolakandro izao mba hifampizara ny traikefa ny finoantsika , satria ny finoana arahin’ asa eo anivon ny vahoaka Malagasy no manana ny lanja sy hasina ary fahefana mampieritreritra sy mahasarika ny olona.
Misaotra lehibe an’ny Pastora Andriamampionona Liva Marinjaka nanasa ahy ho tonga aty amin’ny Fiangonanareo hifampizara fahasoavana sy fitiavan’ Andriamanitra amintsika mpianadahy ao amin’ny Tompo .
Misaotra anareo rahalahy sy anabavy kristianina FLM rehetra tonga amin’ izao tolakandro izao , na dia betsaka ny asa ao an-tokan-tranonareo .
Tena velona tokoa ny finoanareo satria mahafoy fotoana mihaino ny fifampizarana ataonay izao .
Matoa velona toy izao ny Fiangonanareo satria misy fahasoavana noraisinareo amin’ny alalan ny ireo Pastora sy kristianina mafana fo nifandimby ato amin’ny Fiangonanareo .
Fahasoavana lehibe izany sady noraisinareo sy namokatra teto aminareo izany finoana izany .
Ny fihetsem-po voalohany ho ahy dia taitra mahita anareo manana izao finoana velona sy mivelatra izao .
Tianareo mandinika sy mandalina momba ny asan’ ny misiona izay tokony atao ho adidy masina izay rehetra nandray ny Batemin ‘ i Jesoa .
Izy naniraka antsika mba hitory ny Filazantsara amin’ny olona sy firenena rehetra .
Maro ihany ireo kristianina nandray ny Batemin’ i Jesoa ,nefa tsy mahalala ary tsy taitra miaina sy mampiely azy , ary mizara ny finoana sy ny fahazavana azony .
Ny famonjena no raisintsika tamin ny batemin’ i Kristy dia mankahery antsika mizara azy amin’ny namana sy ny olona hafa rehetra.
Hoy I Jesoa amintsika mpianany tamin’ I Mathieu 28,16-20 et Marc 16, 15
“Mandehana amin’ny firenena rehetra ary torio ny Vaovao Mahafaly ”
Ny batemy noraisintsika an-sitrapo dia vokatra ny finoana nekentsika ka
toy ny afo mirehitra izy , tsy maintsy ho zaraina amin’ny namana sy fianakaviana sy ny foko ary ny Firenena rehetra .
Tsy amin’ny teny ihany fa indrindra amin’ny alalan ny asa mivaingana azo tsapaina tanana . “ Vavolombelona ny mpiasa ny bainga voavadika “ !
Isaky ny “ generation” mety miova ny fomba fitoriana ny Vaovao Mahafaly.
Mpianatry I Jesoa isika na dia samy hafa ny Fiangonantsika . Nefa ny Tenin ‘Andrimanitra sy ny Filazantsara dia iray ihany . Dikany izany iray ny Fanahy Masina mamelona sy manentana ny fo , saina sy fanahy ny olombelona rehetra maneran- tany .
I Jesoa niteny hoe amin’ny Matio 23,1-12 :”ianareo rehetra dia mpirahalahy sy mpirahavavy “ !
Ny ahafantaranareo sy nanasanareo ny tenako dia noho ny asa sy Hetsika Akamasoa. Ny toe-panahin ny Jesoa , no toe-panahy ny Akamasoa .
Ry havana malala ,isika iray tampo amin’ ny Jesoa Tompo ,ka hitenenako anareo ampanetren-tena sy ampahatsorana ny zava misy ary mampijaly tsy ara-drariny ny madinika ka tsapa sy hitanay anatin’ny fiaraha-monina ankehitriny izao, indrindra amin’ny toerana iainanay isan andro .
Ao amin’ny AKAMASOA , tsapanay fa mihasimba ny toe-tsaina ao anaty fiaraha-monina, mitombo ny halatra, ny fanolanana, ny fahafetsena sy ny tsy firaharahiana indrindra amin’ireo tanora tsy an’asa mipetrapetraka sy mitangorona eny amoron-dalana sy eny an-tsena.
Ary tena loza lehibe dia ny rongony manjaka amin’ny lehilahy tanora sy olon-dehibe,ka mahatonga ny fanolanana be dia be ankehitriny . Tokony sazina mafy ny mpamboly sy mpivarotra rongony izay mamono ny ho avy ny tanora.
Tsapanay koa fa ireo tompon’andraikitra ny Fokontany sy Kaominina tsy manana fahasahiana mananatra sy manentana ny vahoaka amin’ny discipline,satria matahotra miteny fa indrindra ny valy faty .
Tokony averina ny hasina ny Andry Maso Pokonolona. Ao koa ireo mpitandro filaminana sasany tsy azo tsapain-tanana ny fisian’izy ireo anatin ny fiaraha-monina. Tsy ampy ny ezaka , mipetraka ao amin’ny birao miandry fitoriana!
Ny ankamaroan’ny Tanàna samy mandeha ho azy , tsy misy Raimandreny sahy miteny. Ny vahoaka maro dia tsy misy tanjona ho tratrarina sy Hasina ary tsy mahalala fady intsony.
Raha ny fanajana ny FAHADIOVANA ,ny an’ny sasany dia tsy misy henatra sy tahotra intsony manary fako hatraiza hatraiza .
Misaotra amin’ny President ny Repoblika nanome baiko ny PDS vaovao mba hanadio haingana ny Tanana Reninvohitra.
Tokony hasandratra indray ny herim-pon’ny vahoaka isaky ny Kartié mba hiezaka isan’andro, ary hahafoy tena sy hiaro sy ho tia ny soa iombonana.
Tsapanay fa betsaka ny olona voafidy nefa raha sendra mandray fitenenana , toa tsy misy lanjany satria tsy arahin’asa ny teny nolazainy.
– Amin’izao fotoana be orana izao, betsaka ny olona sahirana, tsy ampy sakafo, miteté sy tery ny trano ka manjary mila ho kivy ny vahoaka ary ny sasany zara raha miaina. Soa fa misy ny fanabeazana sy Cantine an-tsekoly Primaire –mba ahazoan’ireo mpianatra hafaliana kely mba hisy fiovana indray andro.
Ny vahoaka voatery miangavy ny olona voafidy ,ao amin’ny sehatra isan ambaratonga mba hitondra asa sy fanantenana ho an’ny olona rehetra eran’ny Nosy.Nefa asany sy adidiny ny mamorona asa !
– Momba ny fahasalamana, betsaka ny olona tsy afaka mitsabo tena amin’ny Hopitaly lehibe , satria mahantra. Izahay ato amin’ny AKAMASOA dia manampy amin’ny fanaovana” Scanner sy chimio” ny marary avy amin’ny Région maro.
– Isaorana ireo mpanabe sy mpampianatra miezaka manabe ny ankizy sy tanora na dia sarotra aza io asa fanambeazana sy fotoana iainana izao .
– Ao koa ireo tsy manan-kialofana matory amin’ny sisin-dalana ary ny ankizy sy ny vehivavy mangataka anelanelan’ny fiara, maro ny olona manontany tena, aiza ny fiarovana ny ankizy sy zo ny vehivavy ? Aiza ny ”Protection de l’enfance?
– Tsy maintsy ampiakarina ny Hasina maha olona sy ny ezaka amin’ny lafiny fiainana rehetra mba hisy tanjona ho tratrarina ny olona tsirairay, ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina.
Ry krisitanina Havana betsaka ny ezaka tiantsika hatao saingy mangina sy miadana loatra isika rehetra ary toraka izany koa ny mpiasa Fanjakana amin’ny Ministera sasany, miteny matetika hoe “ miverena rahampitso” . Nefa ny olona sahirana amin’ny fitadiavana !
Anivon’ny fiaraha-monina dia tsapanay izany olana misy rehetra izany ary mandray sy mihaino ny fahorian ’ny olona isan andro izahay ary hita fa miha-maro sy mitombo hatrany izy ireo.
Misaotra anareo,rahalahy sy anabavy ao amin’ny Tompo , amin’ny finoana anananareo , ny courage ,ny vina sy ezaka hampisondrotra ny farimpiainana sy ny Hasina maha olona ny Vahoaka Kristianina eran’ ny Nosy amin’ny alalan ny Fiangonanareo FLM .
Ry Kristianina Havana ho ela velona ary ho tahin Zanahary isika rehetra amin’ny izao tolona masina ataontsika izao .
NY firalahiana sy firaisankina avy amin’ny Vaovao Mahafaly dia tokony tombo-kase ny kristianina rehetra eran tany !
2 COR 5,17-20 :” noho izany , na iza na iza ao amin’ny Kristy ,dia zavaboary vaovao izy ;ka lasa ny zavatra taloha, fa zavatra vaovao indray no eo
Izany hoe ao amin’ny Kristy ny olona iray, dia olona sy zavaboary vaovao izy !
Tokony manontany tena aho sy isika , fa olona vaovao ao amin’i Kristy ve aho sy isika isan andro , na isaky avy nivakaka amin’ny andro alahady ?
Raha isika mpiantra i Kristy tsy miezaka ho olona vaovao dia ahoana isika ho sahy mitory ny Vaovao Mahafaly amin’ny hafa sy mananatra azy hampiova ny fiaraha monina amin’ny Tanana misy antsika ?
Jesoa sy ny didy vaovao Joany 13,34-35 :” Didy vaovao no omeko anareo,dia izao: mifanakatiava,ary aoka ho toy ny nitiavako anareo no hifankatiavanareo; Izany no hahafantaran’ ny olona rehatra fa mpianatro ianareo,raha mifankatia”….
Jesoa nilaza hoe” Ny marina ihany no mahatonga anareo olona afaka “
Joany 8,31 :” Hoy I Jesoa tamin’ny ireo Jiosy nino azy:raha mitoetra ao anatin’ny teniko ianareo dia ho mpianatro marina,sady ho fantatrareo ny marina ary ny marina no haha-olona afaka anareo”
Matheiu 6,7-15.”ary raha mivavaka ianareo, dia aza mba maro teny tahaka ny mpanompo sampy, fa ataony ho ny hamaroan’ ny teniny no hihainoana azy “ !
Aoka isika tokony ho vonona mandrakariva manambara ny maha maropototra ny finoana sy ny fanantananantsika! 1Pierre 3,15 “ I Kristy Tompo no ankamasino ao amponareo. Aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly amin’ny kamorampo sy fanajana an’ izay rehetra manontany anareo amin’ny fanantenana izay ao aminareo” !
Mt 25, 40 , “ lazaiko marina aminareo fa isaky ny nanao izany tamin’ny anankiray amin’ireto zandriko kely indrindra ireto ianareo, dia nanao izany tamiko” .
NY fanatanterahana ny Lalana dia ny Fitiavana : Romanina 13,8-10 “aoka tsy hisy hanan’ olona trosa aminareo, afa tsy momba ny fifankatiavana: fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalana , ny fitiavana no fahatanterahana ny lalana antsakany sy andavany “
Lioka 14,27 “ ary izay tsy mitondra ny hazo fijaliany sy tsy manaraka ahy
tsy afaka ho mpianatro izy” !
Ny mpitoriteny sasany mieritreritra fa ho an ny mpihaino izany teny izany fa tsy ho azy mpitoriteny .
Ny finoana mitondra fivoarana sy fandrosoana. Sarotra ekena fa kristianina nefa tsy manana izay rehetra ilaina andavanandro. Ny kristianina tsy maintsy miasa ary mitsinjo ny ho avy ho an’ny zanany sy fianakaviany.
Mba ho tanteraka izany dia tsy maintsy manao ny ainy tsy ho zavatra. Fa firy ny kristianina ankehitriny manana izany toe-panahy izany manao “ny fiainany tsy ho zavatra” amin’ny fahafoizantena manompo ny fianakaviana sy fiaraha monina ary Tanindrazana ?
Izay miarina sy mitraka no afa mamindra ary izay miavo tena no afa mivoatra.
Mbola tsy afa po ny Vahoaka. Inona no dikany mamy ny aina nefa fahoriana no hita isan andro ? Kristianina dia tia fianakaviana , tia firaisankina , tia fandrosoana fa ampiarina sy tanteraka ve izany ?
Ny kristianina manaja ny hitsiny sy ny rariny, satria i Kristy no aina. Isika rehetra Fianakaviambe iray ao amin’ny Kristy. Tsy misy zanaka ny olon kafa raha miara mivavaka isika ao anatin’ ny Fiangonan’ i Kristy .
Ry kristianina havana ,aza adino sy tsarovy fa betsaka ny vato misakana ao amin’ny fiainana andavanandro . Ka tsy maintsy mailo sy vonona isika miady sy mandresy ireo vato misakana ireo . Ady ny fiainana hoy ntaolo !
Tokony manana fahasahiana sy zo milaza ny marina isika rehetra . Maro loatra ny tanora tsy tody fianarana fa mihintsana an-dalana . Ireo tanora ireo matetika mananbady aloha loatra ,niteraka nefa tsy matotra ary io tokantrano io tsy ho ela dia hisaraka any aoriana any, dia mitombo ny fahoriana sy fahantrana.
Zavatsoa nentim-paharazana ny valimbabena.Moa mbola misy ve izany ankehitriny? Anjara ny tsirairay manontany tena misy ve aoaminy fianakaviany?
Ny fahakamoana: tsy maintsy ho resena ny toetran’ ny tanora sasany ,miandry hotolorana fotsiny . Heveriny ny hafa manao ny zavatra rehetra,ary izy miandry vonona fotsiny,miandry hofahanana toy ny olona tsy ampy fahatsiarovan-tena.Tsy hivoatra isika raha mitady fahafinaretana ihany ary miankindoha sy hanararaotra ny herin-tsandrin’ ny hafa .
Tsy lahatra ny fahantrana , fa safidy ny olona tsirairay izany . Ny fahantrana azo resena , satria nomen’Andriamanitra antsika saina sy fanahy ary herimpo mba hahaleotena ara mpivelomana fa indrindra ara- tsakafo .
Vato misakana anatrehan ny finoana dia ny fitiavan-tena !
Afa –patorana sy fanandevozona vao afa mivoatra . Firy ny fatotra mamatotra antsika tsirairay avy ? I Kristy no mpanafaka sy mpamonjy ny olona . Andriamanitra nanafaka ny Vahoaka tamin’ny Egipta ! NY tantara ny kristianina eran tany dia ady amin’ny fanandevozona, satria amin’ny firenena sy foko rehetra dia misy fatotra mamatotra ny olona ! Ka ny Filazantsaran’ i Jesoa , manafaka ny olona rehetra!
I Jesoa no mpanafaka ary ny finoany sy ny fitiavany no nentiny nanafaka antsika. Ny Kristianina rehetra dia voantso ho mpanafaka !
Antso avo ataontsika mba hiara mientana sy mitolona mandresy ny fahantrana. Ny asa ny Akamasoa dia asa vonjy maika , fa adidy ny Fanjakana ny asa ara- socialy izay mikasika ny ain ny vahoaka rehetra tsy ankanavaka .
Isika nandray batemy dia anisan ny Vahoakan Andriamanitra ka izay mahatonga antsika tsy mizara-bazana satria vahoaka iray tsy mivaky isika, miady amin’ny asa ny maizina sy kolikoly ary miroso amin’ny fahamarinana.
Ny Kristianina izay nandray batemy dia tokony hijoro ho mpaminany sy misionera .Satria manana adidy sy anjara anatin ny asam pamonjena ataon, ny Fiangonana eran izao tontolo izao fa indrindra ao amin’ny fiarahamonina misy antsika.
Ny kristianina tsy afaka manao sary jamba, na mody marenina sy mitapi-maso anatrehan ny zava misy ankehitriny izay mampiteny ny moana ,ka tsy maintsy mandray anjara amin’ny asa socialy .
Na amin’ny raharaha politika izany , ny kristianina tsy maintsy miaro ny marina sy ny soa iombonana hatramin’ny farany .
Ny Fiangonana sy ny kristianina manao asa fanasoavam-bahoaka, mampivoatra ny besinimaro ary tsy manadino indrindra ny madinika izay tsy lelafin’ ny namana nefa tian’ Andriamanitra manokana.
Ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly sy ny fivoarana maha olona sy ny maha zanaka Andriamanitra dia tsy azo sarahina . Olombelona dia vatana sy fanahy,ka tsy maintsy kolokoloina izany .
Na dia maro ny vato misakana sy ny problema isan karazany dia isika noho ny batemy ary ny finoana ananantsika an’i Jesoa dia mitondra fanantenana ao amin’ny fianakaviana , sy fiarahamonina ary ny Firenena manontolo .
Fa ny FANANTENANA dia miankina sy mijoro amin’ny fiainana andavanandro fa tsy ambony ny rahona. Ny fanantenana tsy maintsy mifandray amin’ ny fiainana sarotra iaian’ny olona isan andro , fa tsy manao teny tsara lahatra fotsiny mamipseho ny fahaizana mandahan-teny izay tsy mitondra fanantenana fa poakaty izany teny avo lenta izany . NY finoana sy ny fivavahana tsy fahazarana.
Ny Marina sy ny Fitiavana arahin asa dia mitondra ny fanantenana tena izy.
Izaho, dia tsapako fa tsy afaka mitory vaovao’ mahafaly amin’ ireo rahalahy sy anabavy sahirana raha tsy mampisondrotra ny maha olona azy ary izany asa fitiavana namana izany dia efa asa ny fitorian’ny Vaovao Mahafaly. Satria tsy maintsy ho vonjena ny olona manontolo, vatana, saina sy fahany.
Ary nanaitra ahy hatraminny volohany dia ny ohabolan malagasy “Fanahy no maha-olona . “Fa raha noana ny vatana dia mivezivezy ny fanahy “.
Izay rehetra manao ny asa soa ho an’ ireo mijaly dia asa ny misiona satria mampisondratra ny fianakaviana ara-batana , ara saina sy ara panahy .
Izany no Fanamby lehibe ho antsika Fiangonana sy ny kristianina ankehitriny.
Fa izahay ,tsy manana “formule magique” izay arahina , fa ny fanamby rehetra dia ambany fiarovana sy toe-panahin’ ny Fanahy Masina izay mamorina ainga-panahy vaovaoa( inspiration) sy mankahery antsika hanokatra ny lalana vaovao isan andro .Tsy misy asa mora sy vita ho azy araky teny ny ireo tsy manam-piheverana ary tsy manana fangorahana sy fitiavana.
Ary ny mahagaga, dia amin’ny Eokaristia ny Akamasoa isaky alahady misy “touristes” maro avy amin’ny lafin valo ny tany . Ka raha nody ireo touristes tsy mpivavaka ireo dia feno hafaliana sy fanantenana! Asa ny misiona izany !
Ry rahalahiko sy anabaviko i Jesoa no Lalana sy Fiainana ary Fahamarinana ho antsika izay manaraka azy ary enga anie ho “aina no fetra” .
Samia ho tahin’Andriamanitra isika rehetra!
Père Pedro